Niteraka fahavoazana ara-toekarena ho an’i Cuba ny ankivy nataon’ny Amerikana tamin’ny 1962. 50 taona no namaizana an’i Cuba ary tany am-boalohany dia tena tsy nisy ny fandrosoana ara-toekarena.
Na dia teo aza anefa izany dia niezaka ny mpitondra notarihin’ny Fidel Castro tamin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana ara-toekarena. Nody ventiny amin’izao fotoana izao ny fikirizana natao satria fantatr’izao tontolo izao ny firoboroboan’ny sehatra fizahan-tany sy ny harena an-kibon’ny tany izay mifototra amin’ny nikela sy kobalta. Io sehatra fizahan-tany io izay tena anisan’ny fototry ny toekaren’i Cuba. 4 tapitrisa no mpizahatany nitsidika tany tamin’ny taona 2016 izay nampiditra vola 2,7 miliara Euros na 10 331 577 000 000 Ar (1Euro=3826,51 ariary ). Ankoatr’izay ny sehatra fambolena izay miompana amin’ny siramamy sy ny paraky dia manome vahana sy tombony hatrany ny toekaren’I Cuba. Etsy andaniny ny sehatra fahasalamana sy fanabeazana ihany koa izay efa tena miroborobo sy tsara kalitao. Amin’ireo firenena Amerika latina dia i Cuba ihany no tsy ahitana intsony tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny zaza araka ny tatitry ny UNICEF. Izy ihany koa no ahitana taha ambany indrindra amin’ny fahafatesan’ny zaza any Amerika. Manatsara izany sehatra fahasalamana izany ny fisian’ireo mpitsabo miisa 130 000 mandrakotra ny firenena ary rariny raha mahatratra hatrany amin’ny 78 taona ny salam-pahaveloman’izy ireo. Ankoatr’izay dia izy no manana kalitao tsara indrindra amin’ny sehatra fanabeazana. Mpampianatra 1 ho an’ny mpianatra 10 ary tena mandany vola be amin’ny io sehatra fampianarana io. Izany rehetra izany no mahatonga ity firenena ity ho manankarena ary efa mahatratra 40 miliara dolara na 130 906 800 000 000 Ar (1 dolara=3272,67 ariary) mahery ny harikarena faobe. Araka izany na dia nisy aza ny ankivy sy ny laza amin’ny maha-mpanao didy jadona ny mpitondra dia hita fa tafavoaka ity firenena ity. Tsara alain’i Madagasikara tahaka ity firenena ity ny amin’ny lafiny fitantanana sy fiezahana ataon’ny mpitondra. Mbola tombony ho an’ny firenena Malagasy ny tsy fisian’ny ankivy fa mbola misy hatrany ny fanampiana avy any ivelany; ny harena an-kibon’ny tany, anaty ranomasina, tany lemaka mamokatra tsara misy eto, any amin’ny fahaiza-mitantana, fahaizana miara-miasa ary indrindra ny fitiavan-tanindrazana no mila fanatsarana betsaka dia tafavoaka i Madagasikara.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.