Taorian’ny fahapotehana nohon’ny fanonganam-panjakana nisy tamin’ny taona 2009 dia efa manomboka miverina tsikelikely ireo orinasa mamokatra lamba (textile) eto Madagsikara.
Hatramin’ny niverenan’ny tetikasa AGOA (African Growth and Opportunity Act) izay fifanarahana ara-barotra manamora ny fanondranan’ny firenena afrikanina mankany Amerika dia efa maherin’ny 35 000 ny asa teraka hatreto ary tokony hahatratra 200 000 afaka 5 taona. Sehatra tena ananan’i Madagasikara tombony ary mety amin’ny ankabeazan’ny Malagasy satria tsy ilaina faripahaizana ambony ny miasa amin’ny orinasa mamokatra lamba. Tsiahivina fa an-jatony ireo orinasa nikatona ary an’aliny ny asa very tamin’ny taona 2009 ka hatramin’ny 2014 noho ny fakàna fanjakana tamin-kery notarihin’i Andry Rajoelina. Amin’izao dia miarin-doha ary efa mandeha tsara ny fampiasam-bola ataon’ny mpandraharaha amin’io sehatra lamba io. Miteraka asa maro ary loharanon-karena ho an’ny Malagasy maro izany ka tsy tokony hatao ankilabao mihitsy. Soa ihany aloha fa tena mbola mifantoka amin’ny tsena anatiny i Sina izay voalohany amin’ny firenena mpamokatra lamba ka mila manararaotra tsara i Madagasikara. Naleony mantsy nampiroborobo ny tsena anatiny satria tsy afaka mifaninana amin’io sehatra io noho ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasa ka niteraka fidanganam-bidin’ny vokatrany izany. Mitodika aty Madagasikara daholo ireo firenena mpanafatra lamba ka tokony tsy havotsotra intsony.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.