Mampikaikaika ny maro hatrany ny fiakaran’ny solika eto Madagasikara ary hita ho tsy misy mihitsy ny fifaninanana amin’ireo mpamatsy ny solika izay mifanaraka mivarotra lafo hatrany.
Harena tsy afaka havaozina ary manam-pahataperana ny solika. Araka izany dia fotoana kely sisa ary voafetra ihany ny ananan’izao tontolo izao ny solika antony hampiroboroboana sy hitodiana amin’ireo angovo azo avaozina sy tsy mety tapitra tahaka ny masoandro, ny rivotra ary ny rano. Amin’izao fotoana izao dia miezaka mitrandraka sehatra hafa ampandrosoana ireo firenena manankarena solika satria mahafantatra izy fa ho lany sy mety ritra izany atsy ho atsy na afaka taona vitsivitsy. Tahaka ny any Koweit sy Arabia Saodita izao dia efa mijery zavatra hafa hampandrosoana ny toekarena. Dubai izay niezaka mafy tamin’ny sehatra fizahantany ary tafavoaka tamin’izany izy satria niteraka harena be ho azy ireo io sehatra io. Mila mandray lesona i Madagasikara satria ny olona efa mitsinjo ny taranany any aoriana be ary manao ezaka mihitsy mitady seha-pihariana hafa hahatafavoaka. Tsy ny Malagasy mihitsy no mametra io vidin-tsolika io ary ahiana hatrany ny fiakarany ka tsy voavidy intsony izany atsy ho atsy. Mila miampita haingana amin’ny angovo azo havaozina aloha ho fanombohana ny ezaka.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.