Dossier

Firafitry ny vidin’ny herinaratra Apetraka amin’ny taona 2020


  • Zoma 27 Septambra 2019

Tsy maintsy hampitoviana ny firafitry ny vidin’ny herinaratra manerana an’i Madagasikara araka ny fanazavana nentin’ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo Vonjy Andriamanga.

 

 

 Tanjona lehibe napetraka ny fampitomboana 5 hetsy ireo mpanjifan’ny orinasa, raha toa ka mbola 450 000 izany ankehitriny. Paik’ady apetraka ihany koa hampihena ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara, raha ny fanazavana. Ny fanofana ireo milina mpamokatra herinaratra, fividianana solika, ireo halatra jiro sy rano, halatra solika samihafa na ilay antsoina hoe perte non-techinque, ireo no tena antony lehibe nampitontongana ny Jirama. Raha ny fanamby napetraka dia harenina ao anatin’ny roa taona ny orinasa, isan’ny antony lehibe nametrahana ireo filan-kevim-pitanana. Nanambara ny filohan’ny filankevi-pitantanana fa miainga avy eny ifotony mihitsy no ahafahana manatratra ireo tanjona maro ireo. Hapetraka manomboka amin’ny fiandohan’ny taona 2020 ho avy izao, ny firafitry ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara, na grille tarifaire. Tafiditra ao anatin’ny paik’ady hanarenana faran’izay aingana ny orinasa Jirama io fanapahan-kevitra io, raha ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama omaly. Ankoatra ireo dia mbola nanambara ihany koa ny tenany fa hojerena manokana ihany koa ny fampidiram-bola sy ny fandaniam-bola mihoapanpana eo anivon’ity orinasam-panjakana ity.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT