Betsaka ny olom-pirenena no manao antso avo fa lasa misy fiantraikany amin’ ny fiainam-piaraha-monina ny rongony. Raha tsiahivina, telo lahy no saron’ ny polisim-pirenena nitaona rongony telo gony tetsy Ankorondrano ny zoma alina lasa teo.
Tafaporitsaka moa ny iray tamin’ izy ireo. Ny herinandro lasa teo ihany koa, nisy adala mamon-drongony nanakorontana teny Antanimena ka saika nandratra olona maro ka voatery nampiasa hery ny polisy teny an-toerana. Efa notaterina teto ihany koa ireo renim-pianakaviana, tra-tehaka saika hanaparitaka rongony fohana sy rongony efa navadika menaka. Analamanga, Vatovavy Fitovinany, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo andrefana dia matetika hahatrarana mpanao trafikana rongony, izay toa ahitana taratra ny fitombohan’ ny fanjifana zava-mahadomelina sy ny rongony eto Madagasikara. Na ireo rongony mahery vaika toa ny “Heroine” sy “cocaine”ihany koa aza dia efa misimisy ihany no tra-tehaky ny mpitandro filaminana indrindra fa aminíreo toerana misy trano fandihizana eto an-drenivohitra, efa voatondro fa ireo mpanefoefo sy manambola, teratany Malagasy sy vahiny no mpanjifa azy ireny.Tena zava-doza ho an’ny fiarahamonina ny fiparitahan’ny rongony, satria na ireo zaza tsy ampy taona aza dia mety efa misy midoroka; ary ny ankamaroaníreo jiolahy mpanafika tratra dia voaporofo fa mifoko rongony avokoa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.