Mihamahazo vahana eto amintsika hatrany ny fiovaovan’ny toetr’andro efa am-bolana izao.
Tsy voafaritra intsony izay tena vanim-potoana misy fa saika hita mandritra ny andro iray avokoa, ny ranon’orana sy ny hatsiaka ary ny hafanana. Vokatry ny fitombon’ny mponina izay voatery mivelona amin’ny tontolo iainana no nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina fa antony mahatonga izany. Saika mirona amin’ny fanapahana ala, ny fitrandrahana ireo zava-manan’aina ao anatiny avokoa mantsy ny mponina, hany ka tsy ampy intsony ilay hery hahafahan’ny ala misintona ranon’orana mba hanamando ny tany. Ankoatra izay, mirongatra ihany koa ny doro tanety ka miakatra an-tanàna ny voalavo antony mampahazo vahana ny aretina pesta. Fa tsy latsa-danja amin’ireo, hoy ny dokotera Fidy Bariniaina ny fahasimban’ny nofon-tany izay zary kaohin’ny riaka noho ny tsy fisian’ny ala miaro azy intsony ka zara raha mamokatra izy ireny. Misy fiantraikany amin’ny fahasalamantsika olombelona izany, hoy hatrany ity dokotera ity, antony mampahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny AVC, ….Ny fanabeazana sy ny fahatsiarovantenan’ny tsirairay ihany anefa no hahafahana miady amin’izany. Nomarihiny anefa fa mila tandrovana hatrany ny fahasalamana satria izany no voalohan-karena. Mila misotro rano betsaka hatrany ny tsirairay isan’andro. Tsy mandeha amin’ny hafanana be ihany koa fa ùanao satroka hatrany na mitondra elo hisorohana ny aretin’andoha, indrindra fa ho an’ireo zokiolona sy ankizy madinika. Farany, notsindriany fa tsy tokony hanao dokotera tenany rehefa misy tsy mety fa manatona tobim-pitsaboana avy hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.