Maro ny olona no velon-taraina rehefa mankeny amin’ireny banky samihafa ireny.
Mandany fotoana sady mandreraka ny filaharana, indrindra rehefa andro fandraisana karama. Nanatona tompon’andraikitra iray teny amin’ny masoivoho banky iray ny Gazety Tia Tanindrazana. Olana voalohany mpitranga indrindra rehefa fandraisan-karama, hoy izy ny tambajotram-pifandraisana (connexion). Mihitsoka tanteraka io na eny amin’ny masoivoho na eny amin’ireny fisintomam-bola (GAB) ireny rehefa mivoaka ny karama satria maka vola daholo ny olona. Tsy maintsy mila connexion anefa amin’ny asa rehetra atao ary miainga ao avokoa ny raharaha mahakasika ny mpanjifa. Olana ihany koa ny fahalanian’ny vola tampoka rehefa misy maka vola be. Misy fetrany ihany mantsy ny vola azo tazomina amin’ireny banky ireny kanefa matetika dia taraiky vao tonga ny vola rehefa lany. Iaraha-mahita ny fitohanan’ny fiarakodia eto nefa ny vola hoentina amin’ireny fiarabe (brinks) ireny. Fa ny tena olana sedraina isan’andro dia ny havitsian’ny mpiasa. Asan’olona 3 no ataon’ny mpiasa iray, araka ny fanazavana. Misy ny fanamarinana mbola atao amin’ny mpanjifa sasany, ao ihany koa ny fakana fahafahana (autorisation) amin’ny lehibe amin’ny tranga mety ilàna izany. Misy aza moa mpiasa sady manao ny asa fandraisana ny mpanjifa (chargé de clientèle) no sady manao ny fifanakalozana (caisse). Izany rehetra izany miteraka fahatarana amin’ny asa atao ka tsy maintsy mampiandry hatrany ny mpanjifa. Raha ny zanabola ambony be alain’ireny banky ireny anefa dia tsy tokony hanana olana amin’izany tsy fahampian’ny mpiasa izany izy ireo. Ny vahoaka koa moa efa zatra filaharana na handoa jiro na ho eny amin’ny banky eny fa na dia handray fisotroan-dronono aza ka tsy taitra intsony fa mimonomonona fotsiny kanefa tsy mba mitraotra izany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.