Tamin’ny taona 2007 i Kenya no nampiasa voalohany ny fikirakirana vola anaty finday (mobile banking). Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa Vodafone sy ny orinasan-tserasera tany antoerana Safaricom.
Tany ampiandohana dia natao ho an’ny olona tsy manana fahafahana niditra tamin’ny banky izany fa amin’izao fotoana izao, tahaka ny eto Madagasikara, dia azo ataon’ny olona manana kaonty amin’ny banky ihany koa ny mampifandray ny kaontiny any amin’ny banky amin’ny kaonty mobile banking . Manala fasahiranana amin’ny olona izy io satria misy ohatra mpampianatra iray mipetraka any ambanivohitra lavitra be mandray ny karamany amin’ny banky satria manana kaonty ao. Amin’izany anefa dia mila miainga maraina be izy sady mandeha tongotra hamonjy banky nefa mbola traty ny milahatra ela indra. Rehefa nampifandraisana anefa ny kaonty any amin’ny banky sy ny kaonty mobile banking dia afaka misintona ny karamany eny amin’ny kioska akaiky azy izy. Voafetra tamin’ny petra-bola, ny fisintonana ary ny fandoavana faktiora ihany ny tolotra teo aloha. Amin’izao dia afaka hindramam-bola mihitsy. Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa ny banky sy ny orinasan-tserasera, mifameno arak’izany ireo orinasa ireo ary samy mampitombo ny tombom-barotra azony izy ireo ka misy akon’ny lehibe eo amin’ny toekarena, Tany Kenya dia manome 51% amin’ny harinkarena faobe (PIB) tamin’ny taon-dasa ny sehatra banky sy ny fikirakirana vola anaty finday amin’ny alalan’ny mobile banking. Namorona asa maro koa izany tamin’ny alalan’ny tambajotram-pizarazarana (réseau de distribution) tany. Ankoatr’izay dia manampy ny fanjakana amin’ny fanangonan-ketra satria tsy maintsy manana taratasy ara –dalana ihany koa vao afaka miara miasa amin’izy ireo. Eo ihany koa ny fanampian’io sehatra io ny fanjakana ny amin’ny fanaraha-maso ny fiparitahan’ny vola .Aty amin’ny kaontinanta afrikanina no tena mivelatra ny mobile banking satria mbola ambany dia ambany ny tahan’ny fidiran’ny olona amin’ny banky: 20% ny mponina ihany no manana kaonty any amin’ny banky aty amin’ny faritra afrika atsimon’ny Sahara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.