Dossier

Fikirakirana vola anaty finday Misy ny voka-tsoa ara-toekarena entiny


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Efa manomboka miroborobo hatrany ny fikirakirana vola anaty finday (monnaie banking) aty amin’ny firenena afrikanina. Efa hita mizotra mankany amin’izany tsikelikely ihany koa i Madagasikara.

 Efa mahavita ny asan’ny banky mihitsy ny fifanakalozana atao ao satria efa azo anaovana petra-bola sy fisintonana (dépot et retrait). Ankoatra izay dia afaka mitahiry vola hiteraka zana-bola (épargne) ary ahazoana mangataka “avance” ihany koa ny Monnaie Banking. Mety be aty afrika io satria iaraha-mahalala ihany koa fa betsaka ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra fa mahay mampiasa finday. Marihina fa tsy mila finday raitra be fa na ny tsotra indrindra aza dia mety amin’ny fifanakalozana.  Any Côte d’Ivoire izao lasa marobe ny kioska M banking akaikin’ny mponina ary saika misy mihitsy isaky ny fokontany (service de proximité). Nandray fepetra izy ireo ka ny olona manangana ireny dia tsy maintsy ara-dalàna, izany hoe mandoa hetra amin’ny fanjakana. Mba hiarovana ny mpanjifa dia notazominy 0 hatramin’ny 3% ny sarany omena ny fandraharahana amin’ny finday rehetra (frais opérateurs). Noho ny tolotra M banking dia mihena ny vola miparitaka etsy sy eroa ary mahatsara ny fandriampahalemana. Noho ny firoboroboan’io sehatra io dia betsaka ihany koa ny olona nahazo asa vaovao tany amin’io firenena io. Manatsara ny toekarena izany ary efa taratry ny fandrosoana. Ho fiarovana ireo banky efa misy dia nanapa-kevitra ny tsy hanangana masoivoho intsony ny sasany amin’ireo banky any. Ny fifanakalozana tena goavana sisa no ilana ny lehibe fa ny tsotra dia efa vitan’ny kioska daholo.Tombony io raha eto Madagasikara satria fantatra ny fahatahoran’ny Malagasy Banky noho ny taratasy, indrindra ny tahan’ny zana-bola avo be alain’ny banky.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT