Zava-dehibe eto amin’ny firenena ny foara be momba ny vatosoa sy ny firavaka ( Madagascar Gem and Jewellery fair -1ère edition ) izay hotanterahina eny amin’ny Munning Business Center Ivato ny 23 hatramin’ny 27 oktobra ho avy izao.
Tanjona ny fampahafantarana sy fametrahana an’i Madagasikara eo amin’ny toerana iraisam-pirenena noho izy manankarena vato sarobidy, hoy ireo mpikarakara ny hetsika omaly zoma 12 oktobra tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina. Fanentanana ny mpandraharaha Malagasy ihany koa io mba hisehatra amin’ny ara-dalàna ahafahana manana antontan’isa ofisialy. Nanambara ny tale jeneralin’ny IGM, Rasolonjatovo Andrianirina fa tsy nasiana fidirana io satria hampahafantarina ny Malagasy eto an-toerana aloha, indrindra ireo vahiny, ny vatosoan’i Madagasikara. Amin’io fotoana io dia hisy ny varotra fampirantiana, ny famelabelarana ataon’ny manampahaizana manokana amin’ny vatosoa eto an-toerana sy any ivelany. Entanina amin’io fotoana io ireo mbola manao fitrandrahana antsokosoko hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna satria kely kokoa aza ny vola lany amin’ny fidirana amin’izany noho ny fijanonana amin’ny sehatra tsy ara-dalàna araka ny tatitry ny tale jeneralin’ny IGM. Mbola hisy aza ny fanampiana avy amin’ireo mpisehatra maro samihafa rehefa tafiditra amin’ny sehatra ara-dalàna ny mpandraharaha. Fa ankoatra ny fampirantian’ireo mpisehatra sy ireo mpandraharaha ny vatony dia hanamarika ity foara ity ny fampisehoana ny valin’ny fifaninanana nasionaly tamin’ny fanodinana vato (taillage). Tsiahivina fa haranty any Londres mandritra ny fivoriana iraisam-pirenena ataon’ny manampahaizana amin’ny vatosoa amin’ny volana novambra ny vaton’ireo mpandraharaha mendrika.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.