Velon-taraina tanteraka ny mponina manamorona iny lalana Boulevard de l’Europe mitohy hatrany amin’ny rocade iny amin’izao fotoana izao. Misy Malagasy mba mividy tany kely
amin’ireny ihany mantsy na dia efa saika totofana ho lasan’ny Karana sy Sinoa avokoa ny ankamaroan’ireny. Vetivety monja dia voatototra ny tany, mitsangana ny trano, tafiditra ny jiro sy rano! Ireo vahoaka Malagasy madinika mividy ny tany anefa tena mivoaka sempotra ary drodraky ny fivezivezina amin’ny fanamboarana ny taratasy. Mazava ho azy fa tsy maintsy mampiteny ny volany aloha ireo mpandraharaha mpanambola mpividy sy mpangorona ny tany misy eto ireo. Izany mihitsy no mahavelon-taraina ny maro satria tokony amporisihina sy ampiana mihitsy aza ny Malagasy izay mba mahavidy tany. Izay mba mahavidy amoron-dalana ihany koa dia mitebiteby sy miahotra amin’izao fotoana izao satria tapitra lasan’ny vahiny ny eny ary mbola tadiaviny ho vidina hatramin’ny kely ananan’ny Malagasy. Amin’izany rehetra izany dia tsy vitsy ny milaza na ireo vahiny na ny Malagasy tompontany fa efa lafo i Madagasikara fa fombafomba sisa ary hasarotina tanteraka ny fikarakarana taratasy amin’ny lafiny rehetra amin’izao fotoana izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.