Dossier

Fikambanan’ny mpitrandraka ala Hitokona eo anoloan’ny minisiteran’ny tontolo ianana


  • Zoma 31 Janoary 2020

Raha nitsidika ireo traboina tany Ambatondrazaka ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny farany teo dia nilaza fa havoaka ireo tahirin-kazo hanaovana tetezana sy trano.

 

 

Mampametra-panontaniana ireo fikambanan’ny mpitrandraka ala manerana ny Nosy anefa ny antony tsy mbola nivoahan’izany hatramin’izao. Voalazan’izy ireo ihany koa fa namoaka an-tsokosoko “permis” tamina mpandraharaha sy olon-kafa ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha, nefa ireo mpitrandraka tsy mba nomena mihitsy. Nolazaina fa naato sy najanona izany tao anatin’ny herintaona araka ny fanambarany fony izy vao voatendry tamin’ny toerany ary nanamafy mihitsy fa tsy misy intsony ny famoahana “permis”. Noho izany, hanao fihetsiketsehana manoloana ny biraon’ny minisiteran’ny tontolo iainana ireo fikambanan’ny mpitrandraka ala sy ny fikambanan’ny Vondron’Olona Ifotony amin’ny sabotsy ho avy izao. Marihina fa tsy hangataka “permis” ireto mpitrandraka ireto fa ny hamoahana ny tahirina hazo no takian’izy ireo mba ampiasaina fa tsy ho lo fotsiny ao. Ankoatra izay dia mbola takian’izy ireo ny hamerenana ny vola efa naloan’izy ireo na ny « redevance » rehefa tsy hamoaka ny tahirin-kazo ny eo anivon’ny minisitera. Efa mitentina ana miliara ny vidin’ireo hazo tahiry manerana ny nosy ireo, hoy hatrany ireo mpitrandraka. Andrasana ny fandraisan’andraikitry ny minisitra vaovao izay vao notendrena amin’ity raharaha ity ary manantena ny vahaolana avy amin’ireo tompon’andraikitra ireo mpitrandraka ala.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT