Dossier

Fikambanan’ny mpamboly mitambatra Tsy manaja ny zon’olombelona ny QMM


  • Sabotsy 21 Jolay 2018

Omaly zoma 20 jolay no nanao fanambarana tetsy amin’ny Hotely Telozoro Andrefanambohijanahary ny fikambanan’ny mpamboly mitambatra amin’ny kaominina Tolagnaro, Ampasinahampoana ary Mandromondromotsy.

 

 Mitaraina noho ny tsy fanajan’ny orinasa mpitrandraka fasimainty (QMM) ny zony izy ireo. Nisy mantsy ny fitakiana ny tambin’ny vidin-tanin’izy ireo izay ampiasain’ny orinasa kanefa tsy mivaly hatramin’izao. Tamin’ny taona 2016 izy ireo no nandray farany ny volany izay natao 500 Ar /m² kanefa tokony ho 3000Ar/m². Ankoatr’izay dia misy olona manana tany 8 ha ampiasain’ny QMM ao kanefa ny 3ha ihany no vola azo. Ilay onitra iray tapitrisa isan-taona omena ny kaominina dia nahena ihany koa  ka ny sasany nomena 200 000Ar, ny hafa 250 000 Ar. Noho izany rehetra izany dia nangataka fihaonana an-databatra boribory ny fikambanan’ny mpamboly mitambatra saingy tsy misy valiny ary tsy tonga hatrany ny QMM. Tsiahivina anefa fa efa nisy ny taratasy fifanarahana vita sonia nifanaovan’ny roa tonta saingy tsy nahatanteraka ny tokony ho ataony ny orinasa mpitrandraka fasimainty araka ny tatitry ny mpamboly. Nahaketraka azy ireo ihany koa ny nanambaran’ny depiote an’i Tolagnaro Hatrefindrazana Jerry fa lany hevitra tanteraka ny tenany na dia nanao ny fomba rehetra hamahana ny olana aza. Tsy vitan’izay fa nisy naman’izy ireo miisa 4 nosamborina tanatin’ny fihetsiketsehana natao tany noho ny tsy fihainoan’ny QMM ary mbola nampandoavina onitra 1 tapitrisa tsirairay. Tokony hojerena haingana ity olana ity ary mila fandraisan’andraikitra amin’ireo tompon’andraikitra satria mitondra fampandrosoana na ny orinasa na ny fitsinjovana ireo olona ireo. 7.660 mantsy no isan’izy ireo izay ahitana mpamboly, mpanan-tany, mpanjono ary efa miantraika amin’ny fivelomany ity olana amin’ny QMM ity.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT