Mandray anjara mavitrika amin’ ny tolona izay atao etsy amin’ ny Parvis ny Lapan’ ny Tanàna Analakely ny fikambanana Vahoaka Ihany. Fikambanana izay niforona ny taona 2013 ary misehatra eo amin’ny sosialim-bahoaka,raha ny fanazavana, ka niezaka nanampy ireo mahantra sy voatsindry hazolena.
Omaly kosa nyfikambanana noniseho tamin’ny fomba ofisialy. “ Manohana ny hetahetam-bahoaka izahay. Antony naharesy lahatra anay hidina eny amin’ ny Parvis izany mba hifanome tanana amin’ ireo Depiote 73 isa ”, hoy Ravelonanosy Bruno, filohan’ ny Fikambanana. Nomarihiny hatrany fa “ ny lalàmpifidianana vao nolaniana teo iny, raha hampiharina dia mety hitondra korontana eto amin’ ny firenena. Tsara ary fahendrena ny fiverenana an-databatra boribory handinihina lalàmpifidianana hafa. Matoa misy Solombavambahoaka maro mijoro dia hitam-poko hitam-pirenena fa tamin’ ny lalana tsy tena izy no nandehanan’ ny fandaniana iny volavolan-dalàna teo iny ”. Tanjon’ ny rehetra ny hisian’ ny Fifidianana madio, mangarahara ary eken’ ny rehetra.Samy miaky ny maha-zava-dehibe izany ny rehetra. Mba hahafahana miroso amin’ io fifidianana eken’ ny rehetra io dia nandroso hevitra ny filohan’ ny fikambanana Vahoaka Ihany fa “ azo atao ao anatin’ ny fotoana fohy ny fitadiavana ny marimaritra iraisana amin’ ny fandinihina ny Lalàmpifidianana mba hanatanterahana fifidianana ao anatin’ ny fotoana fohy ”. Tanjona ao anatin’ izany ny hisian’ ny fifidiana tena izy lavitry ny savorovoro, hoy hatrany izy. Isan’ny tsipahin’ny fikambanana koa ny lalàna mifehy ireo toeranamanan-tsata manokana na ZES satria dia hita mazava, hoy ity filoha ity, fa tena fanomezana vahana be fahatany ireo vahiny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.