Dossier

Fikambanana TAMIA Ho avy tsy ho ela ny zaikabem-pirenena


  • Zoma 18 Janoary 2019

Tao anatin’ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy nataony izay nampitainy tamin’ireo mpanao gazety tafaresaka tamin’izy ireo teny Antanimena ka nilazan’ny filohany, Randriamahefa Benjamina ny hoe :

 

 

 

 « Hisaorana Andriamanitra fa nomeny taona vaovao 2019 sy nomeny filoham-pirenena vavao ihany koa ny vahoaka Malagasy », no nilazan’ny fikambanana TAMIA « TAnora MIAntsehatra » fa hanatanteraka zaikabem-pirenena eto Antananarivo tsy ho ela ry zareo hanaovany tomban’ezaka an’ireo zava-bita tamin’ny taon-dasa sy hanombanany an’izay mety ho vinan’asa ho tanterahana amin’ny ho avy . Mirary soa ny vahoaka Malagasy ny TAMIA mba ho taom-pahombiazana ho lavitry ny savorovoro ho azy anie ity taona 2019 ity. Dia miarahaba sy mirary soa ny filoham-pirenena vaovao sy ny ankohonany koa ny TAMIA mba hahefany  be amin’ny adidy sy andraikitra hiantsorohany. Ho fehiny dia nanambara ny filohan’ny TAMIA fa : « Misokatra lalandava hoan’izay vonona hiady amin’ny fitiavan-tena hiaraka aminy sy hanome tsy misy takalony an’ireo sahirana ity fikambanana ity ka mba tsy ny olan’ny mpanao politika no olana iainan’ny firenena fa ny olan’ny firenena no tokony ho vahan’ny mpanao politika ». Notovonana amin’izay voalaza ao amin’ny bokin’ny Romanina 13 : 1 izany izay milaza fa : « Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana ». 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT