Miandry ny fampiharana ny lalàna mikasika ny zon’ny mpanjifa amin’ny filoham-pirenena vaovao izahay, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na RNDC, Lita Rabetsara na Ralita.
Efa tontosan’ny filoham-pirenena teo aloha ny famoahana ny didy fa fampiharana no andrasana amin’ny filoha vaovao. Ankoatra izay, azonay hifanomezan-tanana koa ny fahadiovana na fitantanana fako. Efa nisy ny tetikasa nentinay hoe mila fako 1.000 taonina isan’andro ny eto Antananarivo saingy tsy ampy tamin’ny fotoan’androny fa hoe mbola mila teo amin’ny 800 taonina teo tadiavina. Tsy ilana fandaniam-bola be amin’ny fanjakana izany saingy tsy nohenoin’ny filoha teo aloha, hoy izy, ka andrasana indray raha handray izany ity manaraka ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.