Maika daholo ny fanarenana ny zavatra rehetra eto amin’ny firenena, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Fitamifa na fikambanan’ny tanora mivondrona ho an’ny fampandrosoana, tamin’ny alalan’ny filohany, Constantin Sobinson.
Mila atao miaraka satria manana harena an-dranomasina sy ankibon’ny tany isika. Misy harena hafa marobe koa, noho izany, dia azo atao tsara ny manatontosa ny antsoina hoe “relance en parallele”, hoy hatrany izy. Ny olana teto hatramin’izay dia samy manana ny tetikasany avokoa ireo mpitondra teo aloha saingy tsy ampy ny fanatanterahana. Mila isika, araka izany, manana ny antsoina hoe “projet smart” na tetikasa azo tontosaina anaty fotoana fohy. Ahoana ny hanarenana ny lafiny fizahantany satria efa zavatra hananantsika io, ohatra, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.