Isaky ny 20 martsa tahaka izao no hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.
Fiombonamben’ny tany miteny manontolo na amin’ny ampahany ny teny Frantsay izy io, ary mpikambana feno ao anatiny i Madagasikara. Ny filohantsika teo aloha Hery Rajaonarimampianina aza, dia napetraka ho filohan’io nandritra ny fandraisantsika ny Fihaonana an-tampon’ny Frankofonia ny volana novambra 2016, ary nitantana izany nandritra ny roa taona. Amin’ny ankapobeny, dia toa nataon’ny Frantsay nitazonana an-kolaka ireo zanantaniny io. Ny resaka kolotsaina no tena mibahan-toerana fa toa tsy dia misy tombotsoa ara-toekarena. Nisy ny mamy azo tamin’ny fandraisana ny Frankofonia teto: fahavitan’ny tanàna voara eny Andohatapenaka, ny làlan’ny Frankofonia,… fa isan’ny tsy vita kosa ny Tanànan’ny Frankofonia. Nisy ny fandaniam-bola natao tao, ary tafiditry ny resaka kolikoly. Nivoaka ny resaka kolikoly nahazoana tsenam-panjakana tsy ara-dalàna, ka voatonona ny anaran-dRamatoa Claudine Razaimamonjy. Manodidina ny 600 tapitrisa ariary no voalaza fa volabe nanjavona. Isan’ny nalaza ihany koa ny ny resaka fanodikondinam-bola teo anivon’ny orinasam-panjakana SEIMAD, ka vola avy any ivelany mitentina 500 000 Euros any ho any, ary voatonontonona ny anaran-dry Hugue Ratsiferana, izay any am-ponja ankehitriny. Nahatsapa ny fanjakana Rajaonarimampianina, fa tafaverina tao anatin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nampibitaka sy nireharehana ny fampanantenan’ny Frantsay nandritra ny fikaonan-doha tamin’ny mpamatsy vola tany Paris - Frantsa ny 1-2 desambra 2016, fa hahazo famatsiana sy fampiasam-bola 10,6 miliara dolara i Madagasikara. Inona akory no teo? Na ny mpitondra teto aza toa nolaingana sy nampanantenaina poakaty, ary voatsipaka i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana filoha. Manome lesona ny Afrikanina ny Frantsay, indrindra fa ny filohany Emmanuel Macron, saingy io iaraha-mahita io fa ny hetsiky ny “gilets jaunes” any Frantsa aza efa nanomboka ny novambra 2018 tsy voafehy mandrak’androany. Mbola misy lanjany ve ny Frankofonia izay Lafrantsa no lohany? Mbola zava-dehibe ho antsika ve ny mijanona ao anatin’ny Frankofonia ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.