Tsikaritra fa tsy ampy mihitsy ny vola ifanakalozana eto Madagasikara ary hita taratra io eny amin’ireo banky maro samihafa, indrindra rehefa fotoanan’ny fandraisan-karama.
Tahaka ny fihenan’ny tahirim-bola vahiny (reserve de devises) dia misy akony ary tsy mahasalama ny toekarena izany, araka ny tatitry ny tale jeneralin’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina Noro Raharinjatovo. Hitarafana ny tanjaka ara-toekaren’ny firenena iray ny fahampian’ny vola ifanakalozana sy ny fananany ny tahirim-bola vahiny, hoy izy. Mihena ny harena rehefa mivoaka any amin’ny firenena hafa ny vola satria tsy ampy ny tokony hanaovana fandraharahana. Lasa manatonta vola ny banky foibe rehefa tsy ampy ny vola ifanakalozana kanefa miteraka fidanganan’ny vidim-piainana, indrindra rehefa tsy misy famokarana. Io famokarana io anefa dia tena tsy ampy eto Madagasikara satria manafatra entana betsaka any ivelany aza no ataon’ny firenena. Nilaza ihany koa izy fa tokony hohamoraina ary ampirisihina ny mpandraharaha hamokatra sy hanodim-bola eto. Ilaina ny politika hitazonana ny mpandraharaha hampiasa vola eto tokony hisy mihitsy ny fitsinjovana azy ireo, indrindra amin’ny fandraharahana ataony. Ny fampiasan’izy ireo ny volany sy ny famokarana atao ihany mantsy no hampitombo ny vola mihodina sy ifanakalozana eto ary hanatsara hatrany ny toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.