Dossier

Fihariana an-dranomasina eto Madagasikara Mitohivakana ny tsy fangaraharana


  • Talata 03 Jolay 2018

Taorian’ny savorovoro nisy teo anivon’ny sendikan’ny tantsambo na ny Sygmma dia ry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny SMMC na ny orinasa miandraikitra ny fampakarana sy fampidinana ireo entana tonga sy halefa eny anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina indray omaly no naneho ny fitarainany.

 

Araka ny fanazavan’ny mpikambana teo anivon’ny komitin’ity orinasa ity izay nilaza fa noroahana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, Thierry Razafikoto, dia ataon’ny tale jeneralin’ny SMMC tantely afa-drakotra ity orinasam-panjakana ity. Milaza azy ho tsy matahotra na inona na inona, hoy izy ireo, ity tale ity fa hoe ny filoham-pirenena mihitsy no ao ambadika. Tsy mbola nisy mpiasa voaroaka betsaka indrindra raha tsy tamin’ny fotoana nitondran’ity tale ity ary isan’ny lasibatra ireo dokera miisa 43 efa niasa tao hatramin’ny taona 1989. Na ny fanapahan-kevitry ny filankevi-pitantanan’ny orinasa aza, hoy izy ireo, sahin’ity tale ity tsipahina ary ny vola tokony hiditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny orinasa aza dia any am-paosiny no ampidiriny sy hividianany entana ho azy, hoy hatrany ny fintim-panazavana. Mangataka ny praiminisitra, hoy izy ireo, mba hanatanteraka ny teniny ka hamerina ireo mpiasa voaroaka tsy ara-drariny sy hijery manokana izay tokony hatao momba ity tale ity ihany koa satria dia izy irery hatreto no mbola tale jeneraly nijanona teo nihoatra ny 10 taona, raha ny fitarainan’izy ireo hatrany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT