Nanomboka omaly zoma 17 aogositra tetsy amin’ny Hotely CCI Ivato ny fihaonambe ara-toekarena iraisam-pirenena.
Kandida 5 efa nandrotsaka ny taratasim-pilatsahany tetsy amin’ny fahefana avo momba ny lalàmpanorenana no naneho ampahibemaso ny vina sy tetikasany. Misy ny fanehoan-kevitra tamin’ireo kandida sasantsasany nandray anjara tamin’ny fihaonana.
Dama Mahaleo
Mitarazoka tanteraka ny fahantrana eto Madagasikara ary misy mihevitra fa entam-barotra sisa ny Malagasy. Tokony hisy araka izany ny valim-babena ary porofoina tanteraka fa mbola misy ary manan-katolotra ny firenena Malagasy. Hoporofoina fa an’ny Malagasy i Madagasikara fa tsy an’ny olom-bitsy.
Omer Beriziky
Zava-dehibe ny fifanakalozana ara-toekarena tahaka izao eto amin’ny firenena hanaovana sy hamolavolana ny tetikasa rehetra tokony ho tanterahina. Tsy afaka mitoka-monina ny Malagasy ary ilaina hatrany ny fahatongavan’ny mpamatsy vola
Jean Ravelonarivo
Mila hampandrosona haingana ny sehatra fizahantany satria mitondra vola lehibe ho an’ny firenena izany. Mila aseho amin’izao tontolo izao ny fahatsaran’i Madagasikara. Tohizana ary hamafisina ihany koa ny ady amin’ny kolikoly izay mamotika hatrany ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.