Mbola azo lazaina milamina Madagasikara raha oharina amin’ny firenena hafa ka tokony hahay hanararaotra hisintona mpampiasa vola eto amin’ny firenena ny mpitondra. T
sy azo ihodivirana ny sehatra fandraharahana fa ain’ny toekarena ary isan’ny naha-lasa lavitra firenena maro. Ny tontolon’ny fandraharahana no nahatafavoaka an’i India, Sina ary ireo firenena hafa na dia nisy ady an-trano sy korontana. Mila misongona ireo olana sy ny sakana misy ary afaka mifanandrina amin’ireo firenena matanjaka i Madagasikara mba ho tena mafy amin’ny sehatra fandraharahana. Raha mbola izao malemilemy sy miambakavaka izao aloha dia tsy ho tafavoaka ny firenena sy ireo mpandraharaha Malagasy satria hatreto tsy maharesy lahatra. Ankoatran’ny tsy fahamarinan-toeran’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara dia ohatran’ny hoe very olo-manga izany ny firenena. Mahavelom-panantenana aloha ny nandraisan’ny Filoha mpiara-miasa tanora vitsivitsy anaty Governemanta izay hinoana fa hanana ny fahaiza-manao anatine fandresen-dahatra amin’ny lafiny maro mba ho tombony ho an’ny vahoaka. Ny zavatra hita mantsy dia toa miahotra sy matahotra hanatanteraka fanapahan-kevitra izany ny firenena. Hany ka saika miandriandry avokoa ireo sehatra rehetra afaka manainga ny toekarena. Ny tena hita misongadina aloha hatreto dia vitsy ary mbola tsy sahy mampiasa vola hatrany hatramin’izao fotoana izao ireo mpandraharaha indrindra ireo vahiny. Raha ny tokony ho izy anefa dia efa tokony hifandrombahana ny hanao izany ary tsy misy intsony ny sakana satria efa tanteraka ny fifidianana rehetra. Ny lohany mihitsy no tokony ho fitaratra ary harahin’ny rehetra mba ho ohatra anatina fifandresen-dahatra indrindra eo anivon’ny iraisam-pirenena mba ho tombony amin’ny fampandrosoana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.