Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alarobia 10 oktobra farany teo tetsy amin’ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara teny Ivandry ny fametrahana ny rantsan’ny orinasa japoney Tokyo Sangyo any Toamasina.
Orinasa goavana misehatra amin’ny foto-drafitrasa, ny fambolena ,ny jono ary ny angovo ary mariky ny fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra amin’ny fanjakana Malagasy sy ny japoney izany. Vokatry ny fiaraha-miasa aman-taonany teo amin’ny filan-kevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM) sy ny masoivohon’ny Japana dia mihamafy hatrany ny fifanarahana ara-barotry ny firenena roa tonta. Mpiara-miombon’antoka lehibe amin’i Madagasikara i Japon amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-barotra satria izy no fahatelo amin’ny fampiasam-bola vahiny (stock IDE) ary izy ihany koa no tsena faha-5 amin’ny vokatra fanondrana Malagasy. Hihamatotra ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana izay tsy maintsy atao ho laharam-pahamehana eto amin’ny firenena. Io tontolon’ny fandraharahana io dia vatsian’ny masoivoho japoney vola tao anatin’ny telo taona ary efa mihoatra ny 20 ny fanavaozana vita araka ny tatitry ny EDBM. Nisy ny delegasiona mafonja avy any Japana tonga teto tamin’ny volana jona 2018 ka orinasa vaventy 12 Japana no naneho ny faharisiany hampiasa vola eto Madagasikara ary vonona hiara-kiasa amin’ny mpandraharaha eto an-toerana amin’ny sehatry ny asa vaventy, ny fambolena ary ny fanodinana lamba.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.