Dossier

Fifandraisana ara-barotra manosika ny toekarena Mila maka lesona amin’ireo firenena efa tafita i Madagasikara


  • Talata 12 Jona 2018

Maro ireo firenena afrikanina efa nahazo tombony tamin’ny fifampidirana ara-toekarena (Intégration Economique) natao tamin’ny firenena hafa. Mila fanazarana ela ny fanaovana izany fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy.

Efa 20 taona mahery no niresahana an’io “Intégration  économique” teto Madagasikara nefa tsy misy vokatra hatramin’izao.  Tsy ny tsena ihany no tokony horesahina ao fa tokony hifampizarana ao avokoa ny traikefa rehetra mikasika ny fikarohana, ny fotodrafitrasa, ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mandresy lahatra. Eo amin’ireo lafiny hafa ireo no matetika taraiky hatrany i Madagasikara. Mila mijery an’ireo firenena hafa, tahaka ny nataon’i Afrika Atsimo miaraka tamin’ireo firenena Afrikanina vitsivitsy ohatra an’i Botswana, Namibie, Swaziland. Ireo dia nifampizara tanteraka an-taonany maro aloha ny amin’ny traikefa sy ny tombony ananany avy hany ka nisy ny vokatra tsara. Eo ihany koa ireo firenena afrikana tatsinanana tahaka ny Ouganda, Ethiopie sy Kenya sy ireo firenena afrikanina Andrefana tahaka an’i Côte d’Ivoire sy Nigeria izay nahay niomana tsara ary afaka nametraka ny maha izy azy, indrindra tamin’ny famokarana ka nahazo tombony hatrany.  Olan’i Madagasikara ihany koa ny fiankinan-doha lava amin’ny vondrona eoropeanina izay miteraka fitarazohana ara-toekarena. Manimba ny tsenan’i Afrika ary hita fa mahazo tombony hatrany Eoropa amin’ny tsena ifanakalozana, hany ka matiantoka ary miiba hatrany ny lanja ara-barotr’i Madagasikara (balance commercial) na dia misy aza ny resaka fanampiana. Mila mivonona sy miomana ary mitady fiaraha-miasa matotra ny Malagasy mba ho afaka hametraka ny maha izy azy. Amin’izay dia ho tombony hatrany ny maha mpikambana an’i Madagasikara amin’ireny tsena tokony hahazoana lalam-barotra tahaka ny COMESA sy SADC ireny.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT