Dossier

Fifandraisana ara-barotra maneran-tany Hita ho sahirana i Madagasikara


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Efa maro sahady ireo atrikasa natao sy fifanarahana nosoniavina tamin’ireo firenena matanjaka hatramin’ny niovan’ny fitondrana.

 

 

Tsy mbola tafavoaka mihitsy aloha hatreto ny Malagasy fa mainka miha mahazo vahana ny fahantrana. Soa fa nisy iny fifaninanana baolina kitra CAN 2019 iny nahafahana nanadino vetivety ny sorisorim-piainana sy tsy fahampiana izay efa foto-tsakafon’ny Malagasy. Mitohy ny ady sy y rotorotom-piainana ary indrindra ny fiandrasana ny vina sy ny veliranon’ny filoham-pirenena. Amin’ireo fifanarahana ataon’i Madagasikara dia hita ho mahazo tombony hatrany ny firenena manankarena indrindra moa ireo firenena matanjaka mifehy ny tsena iraisam-pirenena toa an’i Amerika, eoropa, Sina sy Japon. Tsy maintsy mijery hatrany ny tombontsoany aloha ireny firenena matanjaka ireny alohan’ny irosoany amin’izay mety ho fifanarahana. Eo no mipetraka ny olana satria na ny fanapahan-kevitra raisina, na ireo olona mifampiraharaha amin’izy ireo dia hita ho atody miady amam-bato ihany manaiky mora fotsiny ireo takalo mety apetrany. Tsy dia manana soso-kevitra ary ho hita ho malemilemy kanefa mirehareha fatratra amin’ny zavatra rehetra hatao. Hita ho tombony tamin’ny faha-Ravalomanana ny fametrahana an’i Madagasikara teo amin’ny tsena iraisam-pirenena nohon’ny fahaizana mifampiraharaha ary nananany ireo olona manodidina azy feno traikefa na ireo négoaciteurs. Hatreto aloha dia resaka ambony latabatra fotsiny no mibahan-toerana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT