Nisy ny atrikasa momba ny fifanarahana ara-ketra notanterahina tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly talata 18 septambra. Mbola vao 4 ny fifanarahana nataon’i Madagasikara hatramin’izay kanefa efa nahazo traikefa ny firenena Malagasy tamin’ny tranga roa farany, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny hetra Andriamatoa Razafindrakoto Louri Garisse.
Tanjona ny fampitomboana ny fahaiza-manao amin’ny resaka fandoavan-ketra ary fiarahana amin’ny fikambanana maneran-tany ho an’ny firenena miteny frantsay (OIF) ity atrikasa ity. Tamin’ny desambra 2015 ihany koa no efa nametrahana ny laharam-pahamehana ny amin’ity fifanarahana ara-ketra ity. Ankoatra izay, ho fitsinjovana ny mpandraharaha satria misy amin’izy ireo no mandoa hetra roa sosona noho ny fananany asa anankiroa amin’ny firenena roa samy hafa. Misy ihany koa aza moa ireo mpandraharaha tsy mandoa hetra mihitsy noho izay fananana asa anankiroa izay. Mba ho famahana ny olana dia tonga nanatrika ity famelabelarana ity ireo manampahaizana nipoiran’ny fifanarahana ara-ketra ireo nanazava ny akony sy ny vontoatiny ary ny lesona tokony horaisina momba izany. Nojerena tao ny mety ho voka-dratsin’ireny fifanarahana ara-ketra ireny, indrindra ny famahana ny olan’ireo mpandraharaha manao asa amina firenena roa samy hafa ireo. Ity atrikasa ity no ahafahan’izy ireo manohy ny asany amin’ny fomba malalaka. Niadiana hevitra tao moa ny tsy maintsy hisian’ny firenena mandefitra arakaraka ny tranga miseho handoavan’ny mpandraharaha ny hetrany. Tsy maintsy misy ny fifampiraharahana ara-ketra. Marihina fa firenena 14 miaraka amin’ireo manampahaizana sy mpikaroka ary ireo fikambanana nipoiran’ny fifanarahana ara-ketra tahaka ny OCDE, ONU, COMESA, FMI no nandray anjara tamin’ity atrikasa ity. Ny firenena tsirairay avy eo no maka lesona ary miainga amin’ny tranga misy ao aminy no hanaovany ny politika ara-ketrany. I Madagasikara no solontena mitarika ireo firenena mahantra sy kely fidiram-bola ireo ary amin’ity atrikasa ity no hanaovana tatitra momba ny tombony amin’izany rehetra izany .
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.