Dossier

Fifanarahana amin’ny Maorisianina Misy afera tsy mazava indray ny JIRAMA…


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Vita afak’omaly ny soniam-piaraha-miasan’ny JIRAMA sy ny vondrona LIDERA miorina atsy Maorisy, miompana amin’ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra zato isan-jato avy amin’ny masoandro na ilay antsoina hoe « Full solaire ».

 

 

Hatomboka amina toerana efatra, ka ho vita ny faran’ity taona 2020 ity dia i Fihaonana (5MW), Ranohira (500KW), Betroka (500KW) ary Iakora (150KW). Manome 6 150 Kwatt ny fitambarany. 16 cents dolara (590Ar)  no hividianan’ny JIRAMA ny herinaratra iray KWH amin’ny LIDERA, hoy ny Tale jeneraly Vonjy Andriamanga. Tsy hampidina fa hihazona ny sarany ividianan’ny mpanjifa herinaratra ny tanjona. Hampidina ny masonkarenan’ny JIRAMA hahatrarany ny fahamarinan-toerana ara-pampandehanan-draharaha ny tetikasa toy izao, sady hanatsara ny kalitaon’ny famatsiana herinaratra, hoy ny filohan’ny Filankevi-pitantanana Solo Andriamanampisoa. Mbola mivarotra fatiantoka ny JIRAMA satria mividy herinaratra 30 cents dolara nefa mivarotra 14 ka hatramin’ny 16 cents dolara (590Ar). Hahazo herinaratra tsy ankiato ny mpanjifa satria hangonina anaty vatoaratra ny ambin’ny herinaratra tsy lany ny antoandro ary hampiasaina ny alina, hoy kosa i Richard Voisin, filohan’ny vondrona LIDERA. Raha io toe-javatra io, ny hamarotan'ny JIRAMA ny 1Kw izao dia 370ar raha ny eto Antananarivo Renivohitra, nefa izy hividy 590ar amin'ny orinasa Maorisianina LIDERA, hoy Atoa Patrick Raharimanana. Raha hotazoniny io vidy amarotana azy io, dia vao manomboka ny famokarana, dia efa fatiantoka 220Ar isaky ny Kw. Ny fanjakana ve no hiantoka ny banga kanefa izy ireo aza efa miala amin’izany raha ny voafaritry ny tetibolam-panjakana 2020 ? Ankoatra izay, oviana ny nanaovana ny tolo-barotra ? Raha iraisam-pirenena io dia tokony ho 45 andro. Toy izany ihany koa ny nahazoan’ny orinasa Afrikanina tatsimo TRG amin'ny fanoloana ireo fantsona tranainy. Ny filoham-pirenena moa dia efa naneho fa tsy tokony hisy fanavahana ny famoahana an’ireny antso tolo-barotra ireny amin’ny gazety tahaka itony, saingy mbola tratry ny sivana hatrany ny Tia Tanindrazana hatreto.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT