Nampahafantarina tetsy amin’ny Live Hotel Andavamamba omaly zoma 26 oktobra ny fisian’ny hetsika arak’asa “Forum des métiers” andiany faha-9 hiarahan’ny SOS Villages d’enfants sy ireo mpiara-miombon’antoka maro tahaka ny DHL sy ny Allianz ary ny Banky BNI Madagasikara.
Hetsika tanterahina mandritra ny 2 andro ary misy hatrany ireo mampiavaka azy oharina amin’ny andiany teo aloha. Tamin’ity indray mitoraka ity dia novelabelarina bebe kokoa ny atao hoe YouthCan sy YouthLinks izay vovonana hampiroboroboana ny fahaiza-manao amin’ny fanomezana asa haingana ireo tanora amin’ny alalan’ny fiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny fikirakirana ny aterineto. Tsiahivina fa ny fikambanana SOS Villages d’enfants dia mandray sy manabe ny tanora kamboty sy tsy misy mpiahy ka tezaina sy tantanana mandrapahitany asa na koa tohanana sy ampiana ny fianakaviana ao anatin’ny fotoana fohy amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana hahatafitana ny zanaka. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanamorana ny fahaleovantena sy ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny asa ka ahafahan’izy ireo mivelatra sy mahalala ny asa sy ny orinasa misy rehetra eto Madagasikara manoloana ny fianarana izay nataony. Eo ihany koa ny fanenana ny elanelana misy amin’ny fianarana rantovina eny an-tsekoly sy ireo asa rehetra misy eto Madagasikara. 200 eo ho eo amin’izao fotoana ireo tanora mieritreritra hanangana ny orinasany ary 600 ny tanora liana amin’ny asa misy noho ny fisian’ity hetsika ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.