Tsy afenina intsony fa misy ny kolikoly amin’ny fidirana ao amin’ny ENAM, ENMG, INFA…
Tsy vitsy tokoa ireo mitaraina eny amin’ireo fanadinana hiditra mpiasam-panjakana no resahina (mpitsara, mpiraki-draharaha, polisy, doanina, fananan-tany, hetra ...). Inona tokoa no mahatonga ny tanora hiditra ho mpiasam-panjakana ? Raha ny lojika, ny lalàna velona no mifehy ny mpiasam-panjakana, noho izany dia mahatsiaro ho milamin-tsaina ireo mpiasa satria mitombina kokoa. Raha any amin’ny sehatra tsy miankina mantsy dia tsena ny asa, rehefa tsy afa-po ny mpampiasa dia mandroaka. Mila manaja ny lalàna fotsiny ny orinasa toy ny fampandrenesana mialoha ny fandroahana. Ny any amin’ny fanjakana, sarotra ny mandroaka mpiasa. Eo ireo mihevitra te hanan-karena vetivety. Mitotongana mantsy ny fomba fiasa eny amin`ny minisitera sy ireo sampandraharaham-panjakana ka miharihary ny kolikoly. Tsy mahagaga raha betsaka no manao kolikoly sy afera amin’ny fanadinana eny amin’ny ENMG satria misy no mihevitra fa rehefa lasa mpitsara dia tsy azo kitikitihana na gadraina, mora manankarena… Zary toerana natokana ho an’ny manan-katao ihany koa ny ENAM. Hita taratra io rehefa fantarina ny fianakavian’ny afa-panadinana, indrindra rehefa rakotra fiara raitra ny tokotanin-tsekoly mandritra ny fotoana fianarana. Etsy an-daniny, tsy mitsahatra miakatra ny isan’ny mpiadina amin’ireo sekoly ireo. Te ho mpiasam-panjakana avokoa ny olona ary tsy misafidy asa ny tanora ka na ambony miohatra ny fari-pahaizana takian’ilay asa aza no ananany dia atao ihany. Rehefa tafiditra dia ampy. Io toetsaina «zara raha tafiditra» io no entin’ny tanora malagasy mitady asa ankehitriny. Mila miezaka ny mpiasam-panjakana rehetra hanao ny asany amin-kitsim-po ka hanaja ny lalàm-pitondrantena sy ny haiadidy (éthique et déontologie) ary hanaja ny tsiambaratelon’ny raharaham-panjakana. Mila atao ara-dalàna ny asa satria volam-bahoaka no hanakaramana antsika. Mila hajaina koa ny toeram-piasana fa tsy voatery hiandry tetibola fanampiny vao hanolo ny zavatra madinidinika ao am-piasana sy hanatsarana ny toeram-piasana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.