Nanomboka ny taona 2016 dia niakatra be mihitsy ny vidin’ny lavanila satria avo folo heny na 15 mihitsy aza.
Tsy mbola nisy tahaka izany mihitsy hatramin’izay tamin’ny tantaran’io sehatra lavanila io araka ny nambaran’ny Governoran’ny Banky Foibe. Noho i Madagasikara mpanondrana lavanila voalohany dia mazava ho azy fa nisy fiantraikany be tamin’ny fampidiram-bola tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny fandanjana ara-barotra (balance commerciale) ary ny balance de paiement izany. Hita ihany koa ny akony tamin’ny sandam-bola nandritra izay 2 taona izay noho ny fidiran’ny vola vahiny (offre de devises) nateraky ny fivarotana ny lavanila. Amin’izao fisokafan’ny taom-pamokarana lavanila izao dia tokony hotohizana ny ezaka amin’ireo mpamokatra, indrindra ny fitazonana ny kalitao. Nisy ny fanadihadiana lalina niarahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena ny amin’ny vinavina amin’ity sehatra ity ny amin’ny 1 na 2 taona ho avy, araka ny nambaran’ny governora. Araka izay vinavina izay dia nametraka ny Banky foibe fa hatao ambony ihany ny vidin’ny lavanila ary mbola hampiditra vola vahiny sy hanatsara ny sandam-bola amin’ity taona ity. Rehefa izay dia hijanona ho tsara hatrany ny fiantraikany amin’ny tahan’ny fifanakalozana ara-bola (taux de change). Ity farany izay hita ho nidina hatrany tato ho ato raha oharina ny tamin’ny fiandohan’ny taona. Mahazo aina foana ny Euro sy ny dolara nandritra ny fotoana maromaro ka izay no antony nampidina azy. Tombony maro ara-toekarena no azo amin’ity fanondranana lavanila ity ary ny tsena iraisam-pirenena dia tena sarotiny sy mijery ny kalitao ka tokony hiezaka i Madagasikara hitazona ny tsara hatrany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.