Tsy misy fifaninanana eo amin’ireo mpamatsy solika ka izany no mahatonga ny vidiny ho lafo hatrany.
Tsy tokony hitovy ary tsy maintsy misy elanelana ny vidin’ny solika raha tena misy ny fifaninanana. Mifanaraka ary miresaka ireo mpaninjara solika eto Madagasikara ka tsy misy mihitsy ny elanelana amin’ny vidiny. Nanambara ny mpahay toekarena iray fa raha tiana hilatsaka ny vidin’ny lasantsy dia tokony hisy mpaninjara hafa ankoatra ireo mpivarotra solika misy eto ireo. Nisy ihany koa ny fanambarana fa raha mbola ireo mpizara solika misy eto ireo no mitoetra eto Madagasikara dia ahiana hatrany ny fidangan’ny vidin-tsolika. Mifanaraka hatrany mantsy izy ireo ny amin’ny sara apetraka sy ny fampiakarana ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala. Tsy voatery ireo foana anefa no hanaovana fifanarahana fa afaka mifandray amin’ny mpamatsy solika hafa ny firenena Malagasy. Misy ny firenena afrikanina hafa izay manankarena amin’ny solika azo hifampiraharahana tsara saingy tahaka ny maty an-kazotokana ny fanjakana na tsy mahita afa-tsy ireo mpaninjara eoropeanina ireo. Mila fandraisan’andraikitra haingana avy amin’ny fanjakana ny fidangan’ny vidin-tsolika ankehitriny satria manempotra tanteraka ny Malagasy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.