Dossier

Fiatrehana voina sy loza tampoka Mbola marefo i Madagasikara


  • Zoma 28 Jona 2019

Notanterahina teto amintsika nanomboka omaly alakamisu 27 jona ny fivoriana siantifika andiany fahasivy nataon’ny firenena anatin’ny ranomasimbe indianina mahakasika ny fiatrehana ny voina na loza tampoka.

 

 

 

 Tanjona amin’ny fampiantranoan’i Madagasikara ity fivoriana ity ny hampihenana ny taham-pahafatesan’ireo olona tratry ny voina na ny loza tampoka. Efa misy ihany koa ny paik’ady manokana hapetraky ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fiatrehana ny voina na ny loza tampoka mety hiseho, hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoka, ny Pr Julio Rakotonirina. Anisan’izany ny fananganana ny sampandraharaha manokana antsoina hoe CAMUM, ivontoeram-pitsaboana natokana ho an’ireo vonjy taitra mandritra ny fisehoan’ny loza na voina tampoka hitranga ka ahiana hisy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka. Hosahanin’ity sampandraharaha ity avokoa ny fandrindrana ny loza miainga any amin’ny antso ataon’ireo vahoaka voakasiky ny loza na ireo mpitandro filaminana na ireo mpiasan’ny fahasalamana. Miainga amin’io antso io no handrindrana ny fikarakarana ireo traboina na tra-doza tampoka na eo amin’ny fitaterana ny marary na eo amin’ireo tobim-pahasalamana afaka mandray azy ireo. Hampiavaka ny asa hataon’ny camum ihany koa ny fanatonana mivantana ny toerana ahiana mety hitrangan’ny loza. Haharitra telo andro ny fivoriana ary tanjona ny hampihena ny taham-pahafatesana mandritra ny fisehoan’ny loza tampoka.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT