Niatrika fiofanana tetsy Anosy tamin’ny 11 desambra farany teo ireo mpilatsaka an-tsitrapo miisa 120 notarihin’ny Mpandrindra nasionaly eo anivon’ny minisiteran’ny fifandraisan-davitra, Ramatoa Alijimy Joelle.
30 ny avy any amin’ny kaominina Soavina ary anio no hampihatra ny fiofanana any ireo niofana ka fokontany 5 no hotetezina hanaovana fampiharana. Nosafidiana manokana ity kaominina ity noho izy maro olona traboina isaky ny fotoam-pahavaratra sahala amin’izao Tanjona ny tsy hotampohin’ny loza sady afaka mandray andraikitra avy hatrany ihany koa raha vantany vao misy zavatra mitranga ny mpiofana ary izany no niarahana miasa hatrany ny avy eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary(BNGRC).
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.