Dossier

Fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro Kely sisa ny fotoana ananana azy


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Nisy ny atrikasa natao omaly alarobia 21 novambra tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina mikasika ny fanomanana ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny fikaonan-doha CoP 24 (COnférences des Parties)

 

 

 

izay nisian’ny fifanarahana tamin’ny firenena mikambana mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Efa tena miditra amin’io ny firenena manerana izao tontolo izao ankehitriny ary saika efa mandray ny andraikitra tandrify azy. Misy fiakarana be ny maripana manerantany (température globale) ka misy fiantraikany mahatonga ny fikorontanan’ny toetr’andro ankapobeny. Any amin’ny firenena hafa dia miakatra be ny hafanana, any amin’ny sasany indray dia tena mangatsiaka be tsy araka ny tokony ho izy ary misy aza moa dia tena mahery vaika ny tondra-drano sy rivodoza. Raha ny eto Madagasikara manokana dia tena marefo amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro noho ny fahantrana  lalina. Efa iaraha-mahita anefa fa efa miaina an’izany ny firenena tahaka ireny oram-be sy hain-tany mihoapampana nandalo teto ireny. Fiomanana ity atrikasa ity satria isan-taona dia misy hatrany ny fikaonan-doha iresahan’ny firenena rehetra nanao sonia tamin’ny COP 24 ny tokony hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mihazakazaka ny fotoana ary kely sisa ananana, hoy ny tatitra nataon’ny fikambanana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro (GIEC) tamin’ny oktobra farany teo ka sao tara fiomanana ka rehefa tojo ny loza vao tsy afa-manoatra intsony. Tsiahivina fa any Pologne no atao ny fikaonan-doha amin’ny volana desambra ho avy izao ary hanana solontena any ny Malagasy.

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT