Nampahafantarina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo tetsy amin’ny Hotely Louvre Antaninarenina ny famitinana ny asa vita rehetra tamin’ny tetikasa Medair.
Tsiahivina fa nanomboka ny 23 May 2019 dia nisy ilay hetsika fanairana ny mahaolona “Réveillons l’humani-terrien” natao nandritra ny fankaalzana ny faha-30 taonan’ny ONG Medair. Tanjona tamin’izany ny nampahalalana sy ny nampahafantarana amin’ny rehetra ny voka-dratsin’ny tsy fiomanana voina tampoka sy ny loza ara-boajanahary. Tanjona araka izany ny mba ho fampihenana ny loza satria tena marefo i Madagasikara manoloana ireny raha tsy hilaza ny haitany sy ny tondradrano mpahazo matetika. Nisy mihitsy moa ireo mpilatsaka an-tsitrapo nanatanteraka ilay hetsika fanentanana. Miisa 46 izy ireo no notolorana mari-pankasitrahana ary nisy ihany koa ny fanambarana ny amin’ny fahavitan’ny vovon-drano any Atsimo nampafantarin’ireo tompon’andraikitra. Niara niasa tamin’ny fanatontosona ny hetsika tantsoroka ho an’ny faritra Atsimo misy haintany sy ny faritra Avaratra feno tondradrano ny BNGRC, ny ny Fondation Telma, ny Croix Rouge Malagasy sy ireo maro hafa.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.