Dossier

Fiarovana ny Indostria Malagasy Miara-miasa ny DGI sy ny ANMCC


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Omaly zoma 13 Jolay no natao tetsy amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny teti-bola Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia fiarahamiasa amin’ny fitantanana ankapoben’ny hetra sy ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momban’ny fifaninanana (ANMCC).

 

 Iaraha-mahalala fa mamono hatrany ny orinasa anatiny ny fandikan-dalàna amin’ny fifaninanana ka mampihena ny tombom-barotra miditra aminy.  Misy fiantraikany amin’ny fidiram-bola amin’ny  kitapom-bolam-panjakana izany ary manaratsy ny toekarena. manoloana izany indrindra dia natsangana  ny ANMCC hanao ny fanadihadiana sy ny  fanangonam-baovao momba ny fandraharahana manodidina ny vokatra anankiray. Etsy an-kilany, ny DGI dia anisan’ny sampandraharaha iray afaka manome vaovao ka izay no antony anaovana fiaraha-miasa aminy hoy ny tale jeneralin’ny ANMCC, Andriamatoa Barthelemy. Mifamatotra ihany koa anefa satria fifanakalozam-baovao amin’ireo fitarainana azo avy any amin’ny mpandraharaha no ifampizarana mialoha ny fanadihadiana sy ny rindrandamina ary ny  fepetra horaisina. Marihina fa ankoatr’ireo orinasa Malagasy 5 efa nahatonga fitarainana teo anivon’ny ANMCC dia ny fanafarana vovon-tsavony no fanadihadiana nosokafana voalohany tamin’ny fomba ofisialy  mba hiarovana ny mpamokatra eto Madagasikara. 9 volana hatramin’ny herin-taona ny fotoana hanaovana fanadihadiana ary voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifaninanana sy ny didim-panjakana ny fahefan’ny ANMCC manatanteraka izany.  Araka izany dia samy mahazo tombony amin’ity fiaraha-miasa ity avokoa na ny ANMCC mpiaro ny Indostria amin’ny famokarana, na ny DGI amin’ny lafiny fakana ny  hetra.

Tsiry


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT