Dossier

Fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny tsy miankina Mila mitandrina ny firenena mahantra


  • Alarobia 27 Martsa 2019

Tany amin’ny taonjato faha-15 no nipoiran’ny teny hoe « fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny tsy miankina (PPP na 3P)) ary tamin’ny taona 1990 tany Grande Bretagne no tena nampiasana sy nampiroborobo azy.

 

 

 

 Ny 3P dia famatsiam-bola mialoha (pré-financement) ataon’ny tsy miankina hanomezana tolotra amin’ny fotodrafitrasan’ny fanjakana. Raha araka ny lalàna indray dia fifanarahana manontolo ny amin’ny anjara asa ataon’ny tsy miankina amin’ny fanjakana ny PPP. Ohatra amin’izany ny nanamboaran’ny orinasa tsy miankina ny lapan’ny fitsarana tany Frantsa izay natao fitaratra manontolo. Tombony amin’ireny ny fahaiza-manaon’ny sehatra tsy miankina manatanteraka ny antoka sy ny fotodrafitrasa ao anatin’ny fotoana nifanarahana ary tena nanaja fotoana. Misy ihany koa anefa ny mampisalasala ny amin’ny fironana amin’ny 3P satria lafo loatra ny vola alain’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana. 86 tapitrisa Euro, ohatra ny hofan-trano isan-taona aloan’ny fanjakana Frantsay tamin’ny asa famitana ilay lapan’ny fitsarana miampy ny fikojakojana azy. Izay no mahatonga ny mpahay toekarena sasany milaza fa any amin’ny firenena mandroso ihany no mety ny 3P. Tany Senegal izao, ohatra, dia niteraka olana ny fanamboarana lalambe vaovao izay tsy namaly ny hetahetan’ny vahoaka. Lafo loatra mantsy ny fandoavam-bola manelanelana ny lalan-kaleha (péage) nalaina satria 2000 CFA na 3 Euros isaky ny fiara sady niteraka fitohanan’ny fiara lavareny mihitsy tamin’ny fakàna ny vola. Raha ny eto Madagasikara indray dia miteraka kolikoly hatrany izany amin’ny alalan’ny tsenam-baro-panjakana. Na misy aza fampafahantarana ny tsena ho an’ny daholobe (appel d’offre) dia tsy mangarahara fa kitranoantrano hatrany no manjaka ary efa fantatry ny minisitera any am-boalohany ny mahazo ny tsena, hany ka petatoko sy zara fa vita hatrany ny fotodrafitrasa tanterahina.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT