Dossier

Fiaraha-miasan’ny DHL sy SOS Villages d’enfants 5000 ireo tanora nizatra asa


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2019

10 taona lasa izay no nanombohan’ilay fandaharan’asa Gotech izay nanampiana ireo tanora niatomboka tany amin’ny SOS Village d’enfants.

 

 

 

Nankalazaina tamin’ny faran’ny herinandro tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy izany ary nandraisana vahiny miisa 200. Niitatra ny fandaharan’asa ka lasa hiarahana amin’ny minisiteran’ny fanabeazana ankoatra ny fiaraha-miasa amin’ny liseam-panjakana Gallieni sy Jules Ferry.  Mahakasika ny vokatra dia tanora 2 amin’izao no miasa eo anivon’ny orinasa DHL ary mihoatra ny 5000 ireo tanora nizatra asa. Mbola tanjona apetraka ny hahafahan’izy ireo hiditra amin’ny sehatry ny asa atsy ho atsy. Nisy ihany koa ny fanolorana loka tamin’ny fifaninanana tetikasa tsara indrindra. Ny tetikasa “Bon Miel” izay nataon’ireo tanora ao amin’ny SOS Villages d’enfants Toamasina no nahazo ny voalohany tamin’izany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT