Omaly talata 21 aogositra no nanatanteraka fitsidihana an-dRamatoa minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona tetsy amin’ny biraony tetsy Antaninarenina ny solontena vaovaon’ny tahirim-bola Iraisam-pirenena, Atoa Marc Gérard.
Nivoitra tamin’ny dinidinika natao tao ny dingana efa nataon’i Madagasikara mahakasika ny tetikasa FEC fahatelo (Facilité Elargie de Crédit) izay efa neken’ny filankevi-pitantanan’ny FMI ka nahazoana famatsiam-bola mitotaly 44,25 tapitrisa dolara na 145 772 775 000 Ariary (1dolara=3294,3Ar). Noresahana tao ihany koa ny momba ny fanomanana ny FEC andiany fahefatra izay hanatanterahan’ny FMI ny asa fitarafana manokana ka handalovan’i Madagasikara fanadinana indray amin’ny tapatapaky ny volana septambra. Raha momba ity solontenan’ny FMI vaovao ity dia mpahay toekarena efa niasa tao amin’ny sampandraharaha fitantanam-bolam-panjakana tany Côte d’Ivoire sy tany Georgie nandritra ny 10 taona izy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.