Dossier

Fiara tsara sy matanjaka Tsy zakan’ny Malagasy intsony ny fanafarana


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Telozoro Andrefan’Ambohijanahary omaly talata 09 oktobra ny hetsika meeting VW Mada Andiany faha-5 izay hatao ny sabotsy 13 oktobra ho avy izao manomboka amin’ny 08 ora sy sasany maraina etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

 


 Tanjona ny hampihaonana sy ny fanamafisana orina ny fifandraisana amin’ny olona tia sy miondana ny fiara  Vw, Audi, Porsche sy ireo marika mitovitovy amin’izany. Hisyaraka izany ny fifanakalozana traikefa na amin’ny resaka fikojakojana, na ny fitaovana miasa ary indrindra mety ho tonga amin’ny fifamarotana  mihitsy aza izany. Nanamarika ireo mpikarakara fa tena mbola be mpitia ireo marika ireo amin’izao fotoana ary mbola ahitana pièce tsara eto Madagasikara. Na dia izany aza anefa dia tsy zakan’ny Malagasy intsony izany manafatra fiara izany satria tena mihalafo isan’andro ny vidiny  ka aleo ny eo an-tanana no atsaraina. Tsiahivina fa sady faha -10 taonan’ny klioba Magolf io ary hisy ny fifaninanana hanomezan-doka ho an’ireo manana fiara mendrika

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT