Tato anatin’ny 3 taona farany dia nahitana fihenana ny isan’ny fiara miditra eto Madagasikara na misy aza ny ezaka ataon’ireo mpivarotra mampahafantatra ireo tolotra misy.
Anisan’izany ny hetsika tahaka ny salon de l’auto izay hiseho indray ny volana oktobra ho avy izao. Raha ny tarehimarika no jerena, kely ny tsenam-barotra eto Madagasikara na dia Nosy lehibe indrindra eto amin’ny faritry ranomasimbe Indianina aza izy. Mampiditra fiara vaovao kely indrindra isan-taona ny firenena Malagasy satria latsaky ny 3000 monja izany ary hatreto dia 2500 ho an’ny taona 2019. Ampahefatry ny ao Maorisy izay mampiditra fiara 10.000 isan-taona ary ny amin’i nosy La Réunion aza dia mahavita mampiditra fiara 30.000. Ny azo atao hanamorana ny fanafarana fiara dia ny fametrahana fepetra isarihana ireo mpanjifa fiara vaovao na fiara efa niasa, sy hanampiana tosika azy ireo satria ambany dia ambany ny fahefa-mividy eto Madagasikara ary maro be ireo olona tsy mba afaka mividy fiara. Anisan’izany ny fanamorana ny fahazoana fampindramam-bola any amin’ny banky na any amin’ireo mpampindram-bola madinika. Ilaina ihany koa ny vondron’ireo mpivarotra fiara vaovao eto Madagasikara (GCAM) hiara-kidinika amin’ny tompon’andraikitra voakasik’izany mba hijerena ny fanamorana ny fampidirana fiara vaovao na efa niasa eto sy hanarahana ny fenitra sy ny kalitao ilaina amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa ny GCAM no miaro ny asan’ireo mpivarotra sy miezaka mampanara-penitra ireo vokatra ampidirina eto izay mampisy lanja kokoa ireo fiara hovidian’ny mpanjifa”
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.