Raha misy ny tena mahasorena ny mponina eto an-drenivohitra dia ny fitohanan`ny fiara lavareny izay miha mitombo isan-taona. Ny lalana ihany koa miha simba sy miha tery.
Antony dia mitombo isan`andro ny fiara vaovao miditra sy mivezivezy eto Antananarivo. Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana ary vao afak`omaly no niakatra ny vidin-tsolika kanefa ity sehatra fiara ity dia miroborobo hatrany. Tsy latsaky ny 20 isam-bolana, ohatra, ny fiara 4x4 vaovao lafona toeram-pivarotana iray eto Antananarivo Renivohitra. Midika izany fa misy sokajin`olona mahatakatra fiara lafo.
Tsy misy izay tsy mikaikaika amin`ny fitohanana lavareny raha ny eto an-drenivohitra no asian-teny. Ora maro no lany vao tonga any amin`ny toerana tiana haleha. Antony, mitombo isa ireo mampiasa fiara kanefa ny lalana tsy misy fitomboana ary vao mainka miha tery noho ny fisian`ireo mpivarotra amoron-dalana miampy ny fahamaroan`ny sarety sy posy izay tsy manaja ny lamina napetrak’ireo tompon`andraikitra ho azy ireo. Efa hiarahan`ny rehetra mahita fa sarotra ny manatanteraka fanamboarana lalam-baovao raha ny eto an-drenivohitra manokana satria tsy maintsy miroso amin`ny fandrodanana trano maro ny fanjakana. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa dia efa mitady vahaolana maty paika handrindrana ireo mpivarotra amoron-dalana sy tsena kely mameno ny sisin`arabe izay mitombo isa hatrany.
Tsy sakana
Tsy azon`ny fanjakana foibe sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny manakana ny fidiran`ny fiara vaovao miditra sy mivezivezy eto. Raha ny fanadihadiana natao dia maherin’ny 10 000 isan-taona ny fiara miditra eto Madagasikara na vaovao na efa niasa tany ivelany ka 60% amin`izy ireo dia fiara mandeha amin`ny gazoala avokoa. Ny any Mahajanga sy Antsiranana fotsiny dia manodidina ny 300 isa isam-bolana. Ny any Toamasina no tena betsaka indrindra raha ny fantatra. Efa lasa laharam-pahamehana ny fiara ho an`ny Malagasy kanefa ny vidim-piainana tsy mitsahatra miakatra. Ny vidin-tsolika, ohatra, dia nahitana fiakarana 70 Ariary, manginy fotsiny ny fahalafosan`ny kojakoja ilaina amin`ny fiara noho ny faharatsian-dalana.
Fepetra takian`ny mpanjifa
Fomban’ny Malagasy ny mitaraina tsy manana kanefa dia toa misy sokajin`olona mahavita mividy fiara raha ny nambaran`ireo mpivarotra fiara amoron-dalana sendra anay. Amin`ny ankapobeny, fiara voasokajy ho petits prix, izany hoe fiara latsaky ny 12 tapitrisa Ariary, no tena be mpanjifa tamin`ity taona 2018 ity raha ny nambaran`i Harilala. Nahalafo fiara 5 izy tamin`ity taona ity ary amin`ny ankapobeny dia mahazo tombony maherin`ny iray tapitrisa isaky ny fiara izy. Mandeha ny tsena raha ny filazany ary fiara manodidina ny 10 tapitrisa Ariary eo no tena be mpanontany eto aminay. I Hery R. indray dia mpivarotra fiara am-polony taona maro ary fiara 4 no lafony nanomboka ny niandohan`ny taona ka manodidina ny 1 hatramin`ny 2 tapirisa Ariary ny tombony azony isaky ny fiara. Izy rahateo dia tsy mifidy fiara amidy fa ireo fiara tena lafo vidy hatramin`ny 100 tapitrisa Ariary dia lafony avokoa. Misy moa amin`ireo mpisehatra no mampiasa vola manokana toa an`i Harilala. Misy ihany koa no manambatra vola na maka mpiara-miombon’antoka ohatra an’i Hery. Fa misy ireo mpanera no efa manana “grand patron”, izany hoe ity farany no tompon`ny fiara fa misy fe-potoana no tsy maintsy andafosana an`ilay fiara. Ny ankamaroan`ireo manana fikasana hividy fiara tsy mitaky fepetra manokana ary misy mihitsy no tsy mahafantatra n’inon’inona momba ny mekanika fa mijery ny endrika ivelan’ny fiara fotsiny sy ireo pitsopitsony toy ny loko, ny fitaratra, ny vy harafesina, ny kodiarana ary ny anatin`ny fiara.
Fiara vaovao
Marina fa mahafinaritra ny mahazo fiara vaovao, kanefa tsy ilaina loatra ny fikoropahana mba tsy fiara mahafaty antoka no azo avy eo. Azo antoka kokoa anefa ireo fiara amidy any amin`ireo tranombarotra natokana azy ireny na “concessionaire”. Araka izany, mitombo ny fiara tsy fahita aty an-toerana mifamoivoy manerana ny tanàna. Ekena fa tsy mora ny vidina fiara ato aminay, hoy ny tompon`andraikitra amina ``concessionaire`` iray eto an-drenivohitra kanefa maro ny olona no liana amin`ny fikarakarana aorian`ny varotra ifanaovana. Tamin`ity taona ity dia mahalafo fiara raitra sy vaovao 20 hatramin`ny 25 isam-bolana izy ireo ary 85% amin`ireo fiara lafo dia fiara tsy mataho-dalana. Tsara no mampahafantatra fa ny fiara tsy mahataho-dalana (4x4) iray dia mitentina 600 tapitrisa Ariary ka hatramin`ny 1 miliara Ariary ary ny ankamaroan`ireo mpanjifa dia Malagasy avokoa. Tsikaritra fa efa liana amin'ny hetsika tahaka itony ny ampahany amin'ny Malagasy na dia voasokajy ho firenena an-dalam-pandrosoana aza. Marihina fa sehatra lehibe ahafahana mampitombo harin-karena faobe eto Madagasikara ny fandraharahana ny fiarakodia.
Fampindraman-bola
Tsy mitsaha-mitombo ireo olona no liana rehefa misy orinasa mpampindram-bola manao doka amin`ireo tolotra ao aminy. Maro no liana sy manatona ireo banky lehibe na koa ireo mpampindram-bola mandinika amin`izao fotoana izao. Misy ny tolotra isan-karazany ao amin`izy ireo indrindra ho an`izay maniry hividy fiara na moto. Ho ana banky lehibe iray dia manao tolotra momban`izany miaraka amina zanabola 12 isan-taona. Raha ny fantatra dia 5% hatramin`ny 8%-n’ny mpanjifa ao amin`ny orinasa mpampindram-bola mandinika iray no liana amin`ny fampisamboram-bola. Marihana fa ny tarehimarika dia ambony tokoa ary mbola tafakatra ambony kokoa ho an`ireo banky lehibe. Misy rahateo ny karazana fampisehoana momba ny fiara izay hita fa mahazo vahana eo amin`ny fifaninanana. Hita ihany koa ny fahamaroan`ny fiara efa niasa avy any ivelany amidy eto an-drenivohitra toy ny eo Anosy, Analakely, Ampefiloha, Andranobevava.
|
Raha ny tatitra azo avy amin`ny gazety Vidy Varotra dia manodidina ny 1000 isan-kerinandro ireo tolotra mahakasika ny fiara. Izany hoe 4 000 isam-bolana ireo dokambarotra na mividy na koa mivarotra fiarakodia. Midika izany fa misy sokajin`olona manana fahefa-mividy eto Madagasikara na dia miaina ao anatin`ny krizy aza ny firenena. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.