Natao tao amin’ny minisiteran’ny Angovo tetsy Ampandrianomby ny tomban’ezaky ny sehatra angovo tamin’ny taona 2016-2017 omaly alakamisy 29 novambra. Noresahina tao ny tontolon’ny famokarana herinaratra nijerena ny antsipiriany amin’ny fiaviany sy ny fampiasana ireo angovo amin’izany.
Notarafina tao ihany koa ny ezaka sy ny fanatsarana tsy maintsy atao amin’izay sehatra angovo eto Madagasikara. Fantatra fa mbola mahazo vahana sy be mpampiasa ny hazo sy ny kitay fandrehitra eto amin’ny firenena satria mahatratra hatrany amin’ny 80% ny tahan’ny filàna amin’izany, araka ny tatitry ny minisitry ny angovo, Rasoloelison Lantoniaina. Tsy tsy maintsy ialana izany satria tena efa ho fongana sy miharipaka ary kely sisa ny ala misy. Ny loharano sy ny ony miteraka angovon’aratra amin’ny alalan’ny toha-drano aza moa efa ritra noho ny fahapotehan’ny ala sy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ilaina, araka izany, ny fandraisana ny fepetra sy ny paikady ary ireo fanapahan-kevitra haingana amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny fanapahana ny ala misy eto Madagasikara. Tsy misy ary tsy ampy amin’izao ny rano na aty an-drenivohitra na ny any ambanivohitra noho ny tsy fisian’ny rotsak’orana kanefa efa tokony ho fotoana fiaviany izao, hoy hatrany ny minisitra, antony mahatonga an’io tsy fahampian’ny herinaratra io ihany koa. Tsy azo ihodivirana ary tsy maintsy hizoran’i Madagasikara ny fiampitana mankany amin’ny angovo azo havaozina (transition énergétique). Rehefa izay mantsy dia hihena tsikelikely ny fampiasana ny arina sy ny kitay fandrehitra. Mila ezahina hatrany ny famoronana arina sy ny fanaovana ny fatana tsy ilana fampiasana ala. Halana tsikelikely amin’ny fanimbana ala ny tantsaha dieny izao ary hatao amin’ny alalan’ny fanofanana sy fampirisihana azy hamboly hazo mandrakariva. Tsy tokony hanapaka vatan-kazo mihitsy izy ireo fa miezaka mampiasa ireny bozaka na kirihitra ireny aloha farafaharatsiny amin’ny zavatra ataony. Efa tsy tokony hikitika ireo ala sisa ananana ireo intsony mantsy ny Malagasy satria tsy vitan’ny potika ny tontolo iainana fa sady tsy misy intsony ny hazo sy ny ala mba ho an’ireo taranaka faramandimby ka handova tany ngazana izy ireo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.