Dossier

Fenitra momba ny harena ankibon’ny tany Mbola mila ezaka i Madagasikara


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Nisy ny fanatontosana atrikasa fampiofanana momba ny fenitra EITI sy fanolorana ny tatitry ny tomban'ezaka ho an'ny taona 2017 teny amin'ny Mining Business Center, Mamory Ivato ny alakamisy lasa teo.

  Nandray anjara tamin`izany ireo ambaratonga rehetra voakasika, anisan'izany ny minisitry ny harena ankibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra, ny avy ao amin'ny biraon'ny kadasitra (BCMM), ny OMNIS, ny KRAOMA, ny fitsarana ara-bola ary ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola. Marihina fa niharan'ny fampiatoana vonjimaika tao anatin'ity fenitra ity i Madagasikara ny fiandohan'ny taona 2019 vokatry ny tsy famoahana ny tatitry ny tomban'ezaka vita ho an'ny taona 2017. Nanamafy kosa ny minisitra tompon'andraikitra hialana amin'ny fampiatoana ho fanalahidy hampisokatra indray ny varavarana hiverenan'ny firenena malagasy ao anatin'ny fenitra EITI. Firosoana amin'ny tsaratsara kokoa hatrany no kendrena amin`ny fivoriana teknika tahaka izao. Marihina hatrany fa ny taona 2008 i Madagasikara no niditra tao anatin`iny fenitra EITI. Raha ny fenitra iraisam-pirenena dia laharam-pamehana ho an`ny fanjakana ny atao hoe "mangarahara " sy " tsara tantana " amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany ary mifandraika amin'ny fepetra notakiana amintsika mba hahafoana ny fampiatoana izany. Tonga teto an-toerana Rtoa Indra Thevoz, solontenan'ny sekretaria iraisam-pirenena ka nilaza fa hanohana ny komity mpanatanteraka sy ny rehetra voakasika amin'ny fampandehanana ny fenitra EITI hitondra amin'ny fanombanana faharoa hatomboka ny 29 desambra ho avy izao no tena tanjona. Fanamby ny hahavitana ireo, hoy hatrany ny minisitra tompon'andraikitra, sady notsipihany fa voafaritra ao anatin'ny politika ankapoben'ny fanjakana rahateo izany. Mahatratra 15 ireo teboka asiam-panitsiana angatahina amin'i Madagasikara ny hanatanterahana azy. Aorian'ity atrikasa ity dia hivory ny komity nasionalin'ny fenitra EITI Madagasikara ny 19 aprily ho avy izao. Ny faramparan'io volana io no ho tonga any am-pelatanan'ny filankevi-pitantanana ny tatitra 2017, izay ny sekretera mpanatanteraka ny fenitra EITI no hiandraikitra ny fandefasana izany. Manana folo andro ny filankevi-pitantanana handinihina izany ary ny tapaky ny volana mey no ho fantatra ny mahakasika an'i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana nentin`ny minisitry ny harena ankibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT