Manantena fitoniana ara-politika sy fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana ny federasionina ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara, izay miisa 24.
Zava-dehibe ny fahalaniana mpitondra ao anaty rafitra demokratika ary goavana tokoa ho an’ny mpandraharaha satria izany no hasarihana vahiny hanangana orinasa eto amintsika, hoy ny teo anivon’ny Federasionan’ny mpivarotra sy ny indostria eto Madagasikara. Niarahaba ny filoham-pirenena vaovao ity federasiona ity ary maniry hatrany ny hanaovana lohalarahana ny indostria fanodinana akora, izany hoe fametrahana ny «industrialisation » eto Madagasikara. Nisaotra manokana ny kandidà mpifaninana izay nanaiky sy niarahaba ny filoham-pirenena vaovao ary mendrika izany. Manantena fampandrosoana eo amin’ny fandraharahana ny ao anatin’ny velirano hotanterahin’ny filoham-pirenena vaovao ny federasiona ny mpivarotra. Betsaka tokoa ny firenena azo alaina tahaka izay mitovy harinkarena amintsika izao toy ny firenena sinoa tamin’ny taona 1979 satria mifampiankina tanteraka ny fanjakana sy ny tsy miankina mba hampiroboroboana ny 3P (Partenaire Public Privé), hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.