Dossier

Faritra mamokatra eto Madagasikara Ratsy lalana avokoa


  • Alakamisy 07 Febroary 2019

Maika ny fanamboarana ny lalana tsy misy mpijery hatramin’izay ka lasa tany lavitra andriana sy mitoka-monina tsy hitan’ny mpitondra fanjakana.

 

 

 

Nandritra ny lahateniny tamin`ny famelabelarana ny programan’asa ankapoben`ny fanjakana (PGE), nilaza ny praiminisitra Ntsay fa havaozina ireo lalam-pirenena maro dia maro eto amintsika ka ao anatin’izany ny RN44, RN13, RN10, RN5a, RN6. Toy izany koa, hamboarina sy havaozina ny lalana ifamezifevezena any amin’ny kaominina manerana ny nosy. Raha zohina, ireo toerana tena misy vokatra no ratsy lalana. Ho an`ny faritra Analanjirofo manokana, faritra manana otrikarena toy ny “culture de rente” (Jirofo, kafe, lavanila, litchi…) Olana anefa ny fiovaovan’ny vidin’izy ireo satria vokatra aondrana ary efa ho isan-taona izany. Ratsy ny lalana avy amin`ireo toerana misy ny mpamboly ka sarotra ny famoaham-bokatra ho an`ny faritra SAVA, tsy ny lavanila ihany fa ny vokatra rehetra mihitsy. Noho ny faharatsian-dalana, na misokatra aza ny tsena, mbola maro ny vokatra tsy tonga any amin`ireo faritra voalaza ireto. Tombanana ho an`arivony tapitrisa maro ny fahavoazana aterak`izany, indrindra amin`izao vanim-potoam-pahavaratra izao. Mikatso ny fitaterana sy ny asa fihariana maro ary sarotra ny famatsiana ireo zavatra ilain`ny mponina andavanandro. Tsy vao sambany nisy fampanantenana toy izao momba ireo lalana ireo koa enga anie hatao tokoa ny fanamboarana azy ireo. Taona maro no niandrasan`ny mponina any amin`ireo faritra ireo anisan`ny ratsy, lafo saran-dalana sy mandany fotoana, indrindra raha samy lalam-pirenena eto amin`ny Nosy. Tsy maintsy hefaina avokoa ireo fampanantenana sy ny toky nifanaovana tamin’ny vahoaka tao anatin’ny fampielezan-kevitra. Miandry izay ho fiantraikan’izay safidy nataony izay ihany koa ireto farany mba tsy ho fampandriana adrisa na ho kobaka am-bava fotsiny ihany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT