Ny nitsirian’ny hevitra namoronana ny Faritra Malalaka Ifanakalozana (Zone de libre échange continentale na ZLEC) dia ny fahitana fa sarotra ny manao fanambarana ara-kaba na ara-ketra
« déclaration en douane » satria sady mandany vola no mandany fotoana. Ny tanjona amin’io dia ny mba hanafoanana ny sakantsakan’ny haban-tseranana « frontière douanière » ka hampitomboana 15 hatramin’ny 25% ny fifanakalozana ara-barotra anatiny ao anatin’ny kaontinanta afrikanina ao anatin’ny 10 taona. Araka ny voalaza ombieny, ny firenena efa misokatra tsara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra ireo matanjaka no hahazo tombony kokoa noho ny hafa na dia nilaza aza ireo mpandinika ara-toekarena fa tokony samy hahazo tombontsoa ny rehetra. Raha mazava tsara anefa ny lalan’ny entana ifanakalozana (origine de produit) ary samy miezaka ny firenena tsirairay amin’ny fanamboarana ny haba-tseranana (barrière non tarifaire) dia tombony ho an’ny rehetra ny ZLEC. Hatreto, manjaka ny firenena manankarena amin’io ZLEC io ary hita taratra izany eto Madagasikara satria fatiantoka lava ny lanja ara-barotra noho ny famokarana sy fanondranana ambany dia ambany eto amin’ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.