Dossier

Faritra Malalaka Ifanakalozana Tombony ho an’ny firenena matanjaka


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Ny nitsirian’ny hevitra namoronana ny Faritra Malalaka Ifanakalozana (Zone de libre échange continentale na ZLEC) dia ny fahitana fa sarotra ny manao fanambarana ara-kaba na ara-ketra « déclaration en douane » satria sady mandany vola no mandany fotoana.

 

 

 

Ny tanjona amin’io dia ny mba hanafoanana ny sakantsakan’ny haban-tseranana « frontière douanière » ka hampitomboana 15 hatramin’ny 25% ny fifanakalozana ara-barotra anatiny ao anatin’ny kaontinanta afrikanina ao anatin’ny 10 taona. Araka ny voalaza ombieny, ny firenena efa misokatra tsara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra ireo matanjaka no hahazo tombony kokoa noho ny hafa na dia nilaza aza ireo mpandinika ara-toekarena fa tokony samy hahazo tombontsoa ny rehetra. Raha mazava tsara anefa ny lalan’ny entana ifanakalozana (origine de produit) ary samy miezaka ny firenena tsirairay amin’ny fanamboarana ny haba-tseranana (barrière non tarifaire) dia tombony ho an’ny rehetra ny ZLEC. Hatreto, manjaka ny firenena manankarena amin’io ZLEC io ary hita taratra izany eto Madagasikara satria fatiantoka lava ny lanja ara-barotra noho ny famokarana sy fanondranana ambany dia ambany eto amin’ny firenena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT