Amin’ny 1 jolay 2020 no hampiharina ny Faritra Malalaka Ifanakalozana (Zone de libre échange continentale) na ZLEC.
Mila hiomanana tsara izany indridra eo amin’ny sehatry ny Indostria mba tsy ireo matanjaka hatrany no hahazo ny tombony ara-toekarena. Tsiahivina fa ny nitsirian’ny hevitra namoronana ny ZLEC dia ny fahitana fa sarotra ny manao fanambarana ara-kaba na ara-ketra « déclaration en douane » satria sady mandany vola no mandany fotoana. Ny tanjona amin’io dia ny mba hanafoanana ny sakantsakan’ny haban-tseranana « frontière douanière » ka hampitomboana 15 hatramin’ny 25% ny fifanakalozana ara- barotra anatiny ao anatin’ny kaontinanta afrikanina ao anatin’ny 10 taona. Firenena Afrikana miisa 32 no efa nanao sonia ny fifanarahana hatreto ary anisan’ny nankato ny votoatin-kevitra I Madagasikara. Mampanahy hatrany satria ny firenena efa misokatra tsara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo matanjaka no hahazo tombony kokoa kanefa tokony samy hahazo tombotsoa ny mpikambana rehetra. Nanambara ireo mpandinika ara-toekarena fa raha mazava tsara ny lalan’ny entana ifanakalozana (origine de produit) ary samy miezaka ny firenena tsirairay amin’ny fanamboarana ny haba-tseranana (barrière non tarifaire) dia tombony ho an’ny rehetra ny ZLEC. Izay izany aloha no tokony hiadivana mafy mba tsy hanjakan’ ny firenena manankarena indray io ZLEC io. Mila mivonona tanteraka i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy ny Indostria Malagasy mba tsy ho matiantoka lava eo amin’ny lanja ara-barotra nohon’ny famokarana sy fanondranana ambany dia ambany eto amin’ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.