Dossier

Faritra arovana eto Madagasikara Misy hatrany ny tsindry amin’ireo mpiasa


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Nisy ny fanaovan-tsonia fanamafisam-piaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, ny fitantanana ankapoben’ny ala ary ireo mpiara-miombon’antoka dia ny fikambanana Fanamby sy Madagascar National Parks (MNP) omaly alarobia 12 septambra.

 

 

 

Maro hatrany mantsy ny tsindry mahazo ireny mpiasa miasa amin’ireny faritra arovana eto Madagasikara ireny tahaka ny tsy fananan’izy ireo fahefana akory ny hiaro ny tenany na hisambotra sy hitory mankeny amin’ny fitsarana ireo olona maro manimba sy mamotika ny valanjavaboary. Noho izany indrindra dia nisy ny fandraisana mpiasa maro vaovao tahaka ny injeniora momba ny ala, ny teknisianina ary Officier Police Judiciaire (OPJ) hisahana ireny faritra arovana maro eto Magagasikara ireny. Andiany voalohany ihany izy ireo ka tsy mahasahana ny faritra arovana rehetra eto Madagasikara fa mbola hisy ny fandefasana mpiasa vaovao hafa aoriana kely. Hiompana amin’ny fitantanana ny valanjavaboary sy hanao fitsirihina sy hanasazy ireo mpanao gaboraraka no asa hiantsorohan’izy ireo. Nanambara mihitsy ny minisitry ny tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, Andriamatoa Randriatefiarison Guillaume fa mbola ezaka ny ady amin’ny fandripahana ala izay tena mbola manjaka eto Madagasikara. Tokony hisy, hoy izy, ny politika mazava hitazonana ny olona tsy hifindrafindra, indrindra ny amin’ny faritra Atsimo fa rehefa mankany amin’ny tanàna hafa izy ireo dia manao fambolena ary manapaka hazo sy ala ataony fivelomana.

Tsirinasolo

 

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT